a
FandraisanaVaovaom-paritraHASAROTAM-PIARO TAFAHOATRA : LEHILAHY IRAY NAMONY NAHAFATY NY VADINY TAO PORT BERGÉ

HASAROTAM-PIARO TAFAHOATRA : LEHILAHY IRAY NAMONY NAHAFATY NY VADINY TAO PORT BERGÉ

HASAROTAM-PIARO TAFAHOATRA : LEHILAHY IRAY NAMONY NAHAFATY NY VADINY TAO PORT BERGÉ

 Hatairana no nandrenesana fa namoy ny ainy itompokovavy Namie Razafimaitso ‚ mpampivelona ( sazy femme ) miasa ao Port Bergé omaly 21 Febroary 2023 . Ny fitsirihana nataony mpitsabo no nahafantarana fa maty nisy namono ity tovovavy mpampivelona ity . Niroso tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraikitra ifotony ary fantatra fa ny Lehilahy vady adefomandriny ihany no nahavanon-doza ary efa nihaiky sy nitsotra ny marina teo anatrehan’ny fampanoavana ity farany ka nahiditra am-ponja vonjimaika androany 22 Febroary 2023.

Kamboty ‚ namoy Reny tampoka ary voatery hisaraka amin’ny Rainy izay nalefa any am-ponja ny zanak’izy roa . Hasarotam-piaro tafahoatra sy tsy fifankazahoana teo anivon’ny tokantrano izay niafara tamin’ny fisarahana no nitera-doza ka namonoany ny vady adefomandriny izao ‚ raha ny fanazavana.
Mirary azy handry am-piadanana ‚ mankahery ny fianakaviana rehetra
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment