a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : ZATRA GABORARAKA SY TIA KELY NY FILOHAN’NY SENDIKA TAXI-VILLE KA MANOSI-POTAKA KAOMININA

ANTSOHIHY : ZATRA GABORARAKA SY TIA KELY NY FILOHAN’NY SENDIKA TAXI-VILLE KA MANOSI-POTAKA KAOMININA

ANTSOHIHY : ZATRA GABORARAKA SY TIA KELY NY FILOHAN’NY SENDIKA TAXI-VILLE KA MANOSI-POTAKA KAOMININA

 Nitondra fanazavana ‚ manoloana ny vaovao aelin’ny filohan’ny sendikan’ny TAXI-VILLE eto Antsohihy ny Sekretera jeneralin’ny kaominina – Olizara Lydio androany 22 Febroary 2023 . Nilaza moa ny filohan’ny sendika araka io vaovao io fa feno ary mahazo vahana ny kolikoly eo anivon’ny kaominina ambonivohitry Antsohihy ‚ indrindra eo fikarakarana antotan-taratasy ilaina amin’ny fanaovana TAXI-VILLE.

 Fanosora-potaka sy fanendrikendrehana tsotra izao no nataon’Atoa Zizy ‚ filohan’ny sendika Taxi-ville eto Antsohihy . Malahelo izy fa tsy nekin’ny kaominina ambonivohitry Antsohihy intsony ny fitondrasany ireo antotan-taratasin’olona rehetra manana fiara ka manam-pikasana hanao Taxi-ville ‚ nefa tsy mandalo fitsirihana ny sasany ‚ ao ireo tsy fiara tsy ara-dalàna sy efa tsy tokony hiasa intsony nefa tadiaviny omena fahazahoan-dalana hiasa eto Antsohihy . Misy ny lalàna mifehy ny fanaovana Taxi-ville fa tsy izay tehanao taxi dia afaka avokoa na tsy manara-dalàna aza ! Vaovao ny taona ‚ vaovao ihany koa ny fomba fiasa ary miroso amin’ny fitaizana ny rehetra mba hanara-dalàna ny kaominina ho fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka mampiasa taxi eto Antsohihy . Taloha dia Atoa Zizy ihany no mifampiresaka amin’ireo tompony fiara na mpamily mba hanao taxi ‚ izy ihany koa manapaka ny vola tiany ho alaina amin’ireo olona mikasa hanao izany ‚ betsaka ny fitarainana azo momba ny fanararaotana ataony manoloana izany‚ hoy ny Sekretera jeneralin’ny kaominina ambonivohitry Antsohihy.

Tapaka nandritra ny fivoriana natao farany ‚ niarahana tamin’ny ivontoerana misahana ny fitsirihana fiarakodia sy ny kaominina ary ny sendika taxi fa tsy azo ekena ny fampiasana ny fiara tsy manara-dalàna ( inapte ) eto Antsohihy ary nomena roa volana izy ireo mba hikarakarana izany . Notapahana ihany koa fa samy mikarakara ny antotan-taratasiny raha mila fahazahoan-dalana hanao taxi fa tsy ankinina amin’olon-takana ary manaraka ireo antanan-tohatra momba izany ‚ toy ny fandalovana any amin’ny birao misahana fitsirihana fiarakodia ‚ mialoha ny handalovana amin’ny kaominina mba ahafantarana ny maha ara-dalàna ny fahafahany miasa ho fisorohana amin’ny loza mety haterak’izany . Ireo fanapahan-kevitra noraisina ireo no tsy nahafaly an’ingahy filohan’ny sendika ka nampiely ireny vaovao diso ireny . Misokatra hoan’ny rehetra ny kaominina ary afaka mandray fitarainana ‚ miaraka amin’ny porofo raha misy trangana kolikoly na fitakiana vola mihoatran’izay voafaritra tokony ho aloa ‚ hoy hatrany ny Sekretera jeneralin’ny kaominina nanohy ny fanazavany.

 Nilaza ny hitarika ireo mpamily taxi-ville namany izay tsy manana antotan-taratasy mazava sy fiara tsy manara-dalàna moa ny filohan’ny sendika ity rahampitso 23 Febroary 2023 fa ho arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment