a
FandraisanaPolitikaPOLITIKA : VAKY NY ADY EO AMIN’NY SAMY MPANOHA FILOHA ANDRY RAJOELINA▪️JENERALY LYLYSON 🆚 JENERALY BOMBA

POLITIKA : VAKY NY ADY EO AMIN’NY SAMY MPANOHA FILOHA ANDRY RAJOELINA▪️JENERALY LYLYSON 🆚 JENERALY BOMBA

POLITIKA : VAKY NY ADY EO AMIN’NY SAMY MPANOHA FILOHA ANDRY RAJOELINA▪️JENERALY LYLYSON 🆚 JENERALY BOMBA

 Betsaka amin’ireo mpanohana fitondrana no efa naneho hevitra sy nilaza fa misy manery ny Filoham-pirenena amin’ny fanendrena ireo Minisitra mpikambana eo anivon’ny Governemanta ‚ eo ihany koa ny fanilihana ireo tena nitolona nanampy azy ka nampidirana ireo olom-baovao izay manimba endrika ny fitondrana mijoro ankehitriny . Anisany nitabataba mafy momba izany ny Solombavambahoaka Rossy sy Naivo Raholidinina ary ireo mpanao politika maro talohan’ny fanendrena mpikambana eo anivon’ny Governemanta farany teo.

Nivoaka ihany koa ny hevitry ny Jeneraly Lylyson tamin’ny fifandraisana miafina nifanaony tamin’ny olona izay natokisany nefa namadika azy ity farany . Nadray tsy raisina manoloana io feo niparitaka io ihany koa ny Jeneraly Bomba ‚ sekreteram-panjakana niadidy ny zandarimariam-pirenena teo aloha ary nilaza izy fa tsy ampy fahaizana ary tsy nianatra tamin’ny “ école de guerre ” ny Jeneraly Lylyson ary tsy vitan’izany fa tsy manana heri-po no sady mitsoaka ady ary miovaova palitao ‚ raha ny fanazavana hita taorian’ny feo izay nisy nanaparitaka.

 Nivoaka tamin’ny fahanginany manoloana io fanambaniana sy fanivaivana nataon’ny Jeneraly Bomba azy io ny Jeneraly Lylyson . « Diso tanteraka ny fanazavana nataon’ny Jeneraly Richard Ravalomanana ‚ afaka hamarinina ny zava-drehetra fa tsy mbola niala ny Filoha Andry Rajoelina aho ‚ izy no nitsoaka sy nanafatra FIS ‚ izay notarihiny Col Lylyson rehefa nafana ny ady nifanaovana teny Fort Duschène izay nahavoatifitra an’ingahy vazaha namany . Ny tany amin’ny BANI Ivato Col LYLYSON, i Col RAKOTOSON Jocelyn ary i Col FIDY tamin’izany fotoana izany no nitarika ireo ekipa tao amin’ny FIS sy ny “garde présidentielle” nakany BANI Ivato ‚ afaka hamarinina izany ‚ hoy ny Jeneraly Lylyson nanazava sady nitanisa ireo fianarana sy zavatra vitany ary ireo diplôma ananany.

Ity farany moa nilaza nilaza fa diso tanteraka ireo zavatra nolazainy Jeneraly Richard Ravalomanana ary tsy mandrahona ny Filoham-pirenena ny tenany fa ny dikan’ny teny hoe ho henjana iny dia ho henjana ny fifidianana ho avy eo sy ny hiatrehana ny fifidianana ary mila olona enjana hiatrehana ny zavatra mety hitranga.
« Tokony tsorin’ny Jeneraly Richard Ravalomanana fotsiny hoe “TSY TIAKO I LYLYSON ARY TSY TIAKO HAMIRATRA EO ANATREHAN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA” ‚ hoy izy namarana ny teniny.

Manomboka mafana araka izany ny toe-draharaha ara-politika eto Madagasikara . Androany 22 Febroary 2023 ny filan-kevitry ny Minisitra voalohany taoriany fanendrena ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny Governemanta ny alatsinainy 20 Febroary 2023 teo.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment