a
FandraisanaFampianaranaMESUPRES : VOARARA NY FANAOVANA « BIZUTAGE » SY HETSIKA METY HITERAKA KORONTANA ENY AMIN’NY ANJERIMANONTOLO

MESUPRES : VOARARA NY FANAOVANA « BIZUTAGE » SY HETSIKA METY HITERAKA KORONTANA ENY AMIN’NY ANJERIMANONTOLO

MESUPRES : VOARARA NY FANAOVANA « BIZUTAGE » SY HETSIKA METY HITERAKA KORONTANA ENY AMIN’NY ANJERIMANONTOLO

Fanapahan-kevitra hentitra no niraisin’ny minisitera misahana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa eto Madagasikara ‚ taoriany tranga teny amin’ny Campus Ambondrona Mahajanga.

 Voaràra tsy azo atao eny anivon’ny Oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana intsony ny hetsika fifaninanana ara-kolotoraly na fanatanjahantena ka mety hiteraka korontana sy fifandrafiana . Voaràra ihany koa ny fampijaliana sy fanararaotana ( bizutage ) ataon’ny mpianatra tranaina amin’ireo mpianatra vaovao tonga eny amin’ny anjerimanontolo.

Omena alalany ny fanaovana hetsika mampiray ny samy Malagasy ‚ tsy misy fivoizana fahasamihafana na firazanana ary karazana na foko . Tsy maintsy mahazo alalana mialoha avy amin’ny filohan’ny Oniversite na Tale jeneralin’ny IST izay fikambanana rehetra hanao hetsika ‚ araka ny fanambarana sy fanapahan-kevitra noraisin’ny minisitera.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment