a
FandraisanaPolitikaPRAIMINISITRA NTSAY CHRISTIAN : TSY NOSOLOINA NA EFA NIHOZONGOZONINA AZA NY SEZANY

PRAIMINISITRA NTSAY CHRISTIAN : TSY NOSOLOINA NA EFA NIHOZONGOZONINA AZA NY SEZANY

PRAIMINISITRA NTSAY CHRISTIAN : TSY NOSOLOINA NA EFA NIHOZONGOZONINA AZA NY SEZANY

Mbola voatazona ho Praiminisitra ‚ lehiben’ny Governemanta hatramin’izao ny Praiminisitra NTSAY Christian . Ity farany moa efa nohozingozonina mafy ary niely mihitsy ny feo fa hoesorin’ny filoha Andry Rajoelina amin’ny maha Praiminisitra azy saingy nijanona ho kajikajy politika sy resa-be ihany aloha izany hatreto.

Minisitra maromaro no noesorina sy nosoloina nandritra ny fanovana ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta ‚ volana vitsivitsy mialohan’ny fifidianana ho Filoham-pirenena.

 Notendrena ho Praiminisitra tamin’ny hetsika nataon’ny 73 Depiote ny taona 2018 nandritra ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina ‚ ny Praiminisitra NTSAY Christian ary tsy mbola niala na noesorina na koa nisoloana hatramin’izao ‚ taona 2023 hahataperany fitondrana Rajoelina izao.

 Ny fahaizany sy traikefa ananany ary fampandrosoana hoentiny ve no nampaharitra azy amin’ny toerany sa mety misy antony hafa mihitsy ? Hoy ny mpanara-baovao mametra-panontaniana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment