a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : JIOLAHY ROA NISAKAN-DALANA SY NITORA-BATO ARY NITIFITRA FIARAN’NY ZANDARY▪️MATY VOTIFITRA AVOKOA

ANTSOHIHY : JIOLAHY ROA NISAKAN-DALANA SY NITORA-BATO ARY NITIFITRA FIARAN’NY ZANDARY▪️MATY VOTIFITRA AVOKOA

ANTSOHIHY : JIOLAHY ROA NISAKAN-DALANA SY NITORA-BATO ARY NITIFITRA FIARAN’NY ZANDARY▪️MATY VOTIFITRA AVOKOA

Izao vao tena tonga amin’ilay teny hoe ‚ Ela nitoratorahana ka nahavoa ny mason’angatra ireto dahalo roa mpisakan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-06 ireto . Nanatanteraka fisafoana ny fanarahamaso ny fandriampahalemana amin’iny lalam-pirenena faha-06 ‚ anelanelany Kaominina Anahidrano Distrikan’i Antsohihy sy kaominina Befotaka Distrikan’i Analalava iny ny Kapiteny Tobiasy ‚ Cdt Compagnie Antsohihy omaly 19 Febroary hifoha 20 Febroary 2023.

Tokony ho tamin’ny 02 Ora maraina teo izy sy ny ekipany izay nitondra fiara mangamangan’ny zandarimaria ino no nahita bolongam-bato vaventy maromaro nibahan-dalana teo anelanelany tanànan’i Antsararibao sy Antanambao avaratra izay teny misy lalan-dratsy amin’iny lalam-pirenena iny ka voatery nijanona izy ireo . Izy mijanona iny no nirefodrefotra ny tifitra sy tora-bato nahazo ireto zandary nanao fisafoana ireto ka raikitra ny fifanjevona ; Vaky noho ny tifitra sy tora-bato nahazo azy ny fitaratry ny fiaran’ny zandarimaria ‚ maty voatifitra kosa ireo dahalo roa mpisakan-dalana.

 LAKOTY na TALBOTE no anarany dahalo iray izay tombanana ho 32 taona avy any amin’ny kaominina Anjiamangirina ‚ TALAHY kosa ilay iray tombanana ho 25 taona avy any amin’ny kaominina Ambarijeby atsimo Distrikan’i Analalava.

Tsiahivina fa nisy dahalo roa mpisakan-dalana tafaporitsaka niaraka tamin’ny basiny ‚ nandritra ny fifanjevona nahafatesana Dahalo iray tao Antsararibao kaominina Ambodimandresy ny 14 Febroary 2023 teo ‚ midika ve izany fa ireto maty voatifitra ireto izy ireny sa mbola misy hafa?

Mitohy ny hetsika fampandrian-tany ary ho amafisina hatrany mba hanafaizana ireo mpanao ratsy tsy mbola manohy ny asa ratsiny ‚ araka ny fanazavana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment