a
FandraisanaFambolena sy fiompinaFARITRA SOFIA SY TONTOLO MAITSO : TAPA-KEVITRA FA HIARO ATIALA NY MPONINA AO ANJIAMANGIRINA – ANTSOHIHY

FARITRA SOFIA SY TONTOLO MAITSO : TAPA-KEVITRA FA HIARO ATIALA NY MPONINA AO ANJIAMANGIRINA – ANTSOHIHY

FARITRA SOFIA SY TONTOLO MAITSO : TAPA-KEVITRA FA HIARO ATIALA NY MPONINA AO ANJIAMANGIRINA – ANTSOHIHY

Naharitra adiny 07 ireo mponina ao kaominina Anjiamangirina ‚ Distrikan’i Antsohihy Faritra Sofia ‚ nanao fambolen-kazo niraisana androany 16 Febroary 2023 . Na nigaingaina aza ny masoandro nandoro azy ireo ‚ tsy nahasaka tanora ‚ mpianatra ‚ Ray sy Renim-pianakaviana ary Sojabe nanatanteraka ny adidiny tao Anjiamangirina ka zana-kazo 3500 fototra no voavoly tamin’izany.

 Mafy ny asa iny fa vitantsika ihany noho ny fitiavana ‚ manomboka izao isika rehetra samy hanaramaso sy hanondro ary hitondra ireo tratra mandoro ala sy manao tetik’ala amin’ireo faritra manodidina atsika ‚ fa mafy izao mahazo atsika izao ‚ hoy ny Ben’ny tanàna Daniel niantso ny rehetra samy hiaro ny atiala ary hikarakara ireo navoly androany . Izay mahasaky zaho mba sakiko ary tsy hananako henamaso ny hanondro azy raha tratrako na hitako mandoro atiala ‚ hoy sojabe ao an-tanàna nisolotena ireo namany sady resy lahatra fa ratsy tokoa ary misy fiantraikany amin’ny velon-tena ny fahapotehany atiala.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment