FARITRA SOFIA SY NY HARENA VOAJANAHARY ANANANY, FARITRA MANDO RENIRANON’I SOFIA
Ao amin’ny kaominina Marotolana , Distrikan’i Bealanana ilany avaratr’I Madagasikara ‚ faritra Sofia no misy Faritra Mando . Ao amin’ny Farihin’i Sofia ( matsàborin’i Sofia ) izay mirefy 1 650 hekitara . Voasokajy ho isan’ny rohivoahary izy io ary ny DURELL no mitantana azy ‚ izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.
Isan’ireo Faritra Mando manankarena ny farihin’i Sofia satria ahitàna karazam-borona maro ‚ efa ho 36 isan-karazany ka ny 5 amin’izany ‚ ahiana ho lany tamingana dia ny ny canard de Meller Anas melleri sy ny crabier blanc Ardeola idea ary ny râle de Madagascar Rallus . Rehefa natao ihany koa ny fanisàna dia miisa 1 114 ireo vorona miaina ao amin’ity farihy ity ary 50 isa eo ny zava-maniry anaty sy amoron-drano.
Mendrika ho arovana izany mba ho lovain’ny taranaka faramandimby . Ndao isika hiaraka ‚ hiaro sy hanarina ireo faritra mando.