ALAKAMISY ITENINA : FANOMPOAM-TSAMPY NY FIHIRANA HIRAM-PIRENENA MALAGASY HOY IREO MPIANATRA 05 ‚ NANDÀ TSY HIHIRA SADY NITONDRA MPISOLOVAVA TANY AMPIANARANA
Mihizingizina mafy ireto mpianatra miisa 05 ao amin’ny lycée sy CEG Alakamisy Itenina ireto fa tsy hanao hiram-pirenena mandritra ny fananganan-tsaina . Voalazan’izy ireo fa fanompoan-tsampy ary tsy mety amin’ny finoany sy ny fivavahany ny fihirana ny hiram-pirenena Malagasy . Etsy ankilany ‚ mandika ny lamina misy eo anivon’ny sekoly anefa izany hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly ka tsy azo ekena . Nomena sazy ‚ tsy mahazo mianatra mandritra ny herinandro ireto mpianatra miisa 05 ireto.
Tonga niverina tany ampianarana ‚ niaraka tamin’ny mpisolovava sy vaditany ary olona voalaza fa hiraka avy any amin’ny foiben’ny fiangonana misy azy anefa ireto mpianatra ireto ny Alakamisy 09 Febroary 2023 teo ‚ mba hamerina azy hianatra na mbola tsy tapitra aza ny fe-potoana herinandro voalaza etsy ambony.