a
FandraisanaPolitikaDEPIOTE ROSSY : MIJOROA EO AMPOVOANY IANAREO MPITANDRO FILAMINANA▪️AVELAO NY MPANOHITRA SY NY EO AMIN’NY FITONDRANA HANEHO NY HEVINY ARY SAMBORY IZAY MIHOA-PEFY

DEPIOTE ROSSY : MIJOROA EO AMPOVOANY IANAREO MPITANDRO FILAMINANA▪️AVELAO NY MPANOHITRA SY NY EO AMIN’NY FITONDRANA HANEHO NY HEVINY ARY SAMBORY IZAY MIHOA-PEFY

DEPIOTE ROSSY : MIJOROA EO AMPOVOANY IANAREO MPITANDRO FILAMINANA▪️AVELAO NY MPANOHITRA SY NY EO AMIN’NY FITONDRANA HANEHO NY HEVINY ARY SAMBORY IZAY MIHOA-PEFY

Tsy nitsitsitsitsy fa nahitsy toraka ny hafatra mafonja nalefan’ny Depiote Paulbert Rahasimanana dit Rossy ‚ raha nitafa tamin’ny mpanao ny 11 Febroary 2023 ‚ taoriany fametrahana fehezam-bonikazo teny Ambohijatovo ‚ fahatsiarovana ny nahafatesany Jeneraly Richard Ratsimandrava ‚ Filohan’ny Repoblika Malagasy ny 05 Febroary 1975 hatramin’ny 11Febroary 1975.

 « Aza ameridenareo ny filohanay ‚ mialà tao lisany fa izy Davida kely mahavita miady amin’i Goliata ‚ tsy matahotra n’iza n’iza iny no nifidiananay azy fa tsy anareo manao selfie maneran’i Madagasikara io . Atoa Filoha ‚ namanao aho ary milamina aho miteny eto fa hongoty izay mampimenomenona ny vahoaka ‚ esory tao fa eto izahay miaro anao » ‚ hoy Depiote Rossy ‚ nilaza fa sibain’ireo tsy nitolona nefa nahazo seza ao an-dapa ny fitondrana ankehitriny . Tsy misy mpiaro ny Filoham-pirenena ‚ ny ato an-trano tokony hiaro azy ‚ ahilikilika sy atosika makany amin’ny mpanohitra ‚ hoy izy.

 « Ilainy firenena ny tany Demokratika ‚ koa mijoroa eo ampovoany ianareo miaramila ‚ zandary ‚ polisy ‚ administrateur civil ‚ aoka tsy hisy ampiasa basy hipoaka ka hahafaty olona fa aleo hanao ny mpanohitra ‚ aleo hanao ny eo amin’ny fitondrana ‚ araho maso izay manao hetsika ary sambory izay mihoa-pefy » hoy hatrany ity Solombavambahoaka ity naneho ny heviny.

Ity farany moa nitaky ny hamerenana indray ny fanadihadiana momba ny nahafatesany Jeneraly Richard Ratsimandrava fa efa misy anarana navokan’ny Filoha Didier Ratsiraka mialoha ny nahafatesany.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment