a
FandraisanaPolitikaDEPIOTE NICOLAS : BETSAKA IREO OLONA MATIN’NY ANOHANANA ( MOSARY – KERE ) ANY BETROKA

DEPIOTE NICOLAS : BETSAKA IREO OLONA MATIN’NY ANOHANANA ( MOSARY – KERE ) ANY BETROKA

DEPIOTE NICOLAS : BETSAKA IREO OLONA MATIN’NY ANOHANANA ( MOSARY – KERE ) ANY BETROKA

Mihoatran’ny 40 ireo matin’ny anohanana ( mosary ‚ kere ) any amin’ny distrikan’i Betroka tao anaty 03 volana ‚ 33 tao Mahabo ‚ 07 maty tao amin’ny kaominina Ambalasoa vao herinandro lasa izay ‚ Analamady 03 Maty ‚ tsy mbola tonga any ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana raha ny fanazavana natony Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana ‚ Nicolas Randrianasolo.

Efa nanao tatitra ny Solombavambahoaka fa tsy nisy valiny . « Izao ihany no mahavoa ny fitondram-panjakana ankehitriny ‚ mandrimandry manana aretina ‚ tsy matoky ny olom-boafidy ‚ tsy maintsy ny distrika no manao tatitra vao eken’ny BNGRC ‚ hiandry olona an-jatony aman’arivony maty indray ve vao hitondra vahaolana ? Izany no tsy mampitovy ny olom-boafidy sy olona notendrena ‚ ireo teknisinina ‚ izy ireo izay mahazo karama isam-bolana amin’ny asany ka tsy hiteny zava-misy marina fa ny Depiote akaiky vahoaka » ‚ hoy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Betroka ‚ manaitra ny fitondram-panjakana.

 Kaominina vitsy ihany ireo nahazahoana tatitra ireo fa heverina ho betsaka noho io antotan’isa io ny zava-misy amin’ireo kaominina saro-dalana sy lavitra any‚ hoy hatrany ny fanazavana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment