a
FandraisanaFahasalamanaSAMBAVA : FANTSIKA LEHIBE MIISA ROA SY TAPAKA SOTRO ARY BOROSO NIFY NO HITA NITSIVALANA TAO ANATY TSINAIN’NY TOVOLAHY 30 TAONA AVY ANY MAHASOA BEMARIVO

SAMBAVA : FANTSIKA LEHIBE MIISA ROA SY TAPAKA SOTRO ARY BOROSO NIFY NO HITA NITSIVALANA TAO ANATY TSINAIN’NY TOVOLAHY 30 TAONA AVY ANY MAHASOA BEMARIVO

SAMBAVA : FANTSIKA LEHIBE MIISA ROA SY TAPAKA SOTRO ARY BOROSO NIFY NO HITA NITSIVALANA TAO ANATY TSINAIN’NY TOVOLAHY 30 TAONA AVY ANY MAHASOA BEMARIVO

Efa tsy tompon’ny tenany ilay tovolahy ary lany fanahy mbola velona ny fianakaviany amin’ny fitsaboana azy ka nohentina niakatra tao Sambava ilay tovolahy 30 taona ‚ marary mafy avy any Mahasoa Antindra Bemarivo . Tao amin’ny clinique médico chirurgicale Le Fidèle Soavinandrina izy no nivantana mba hitsabo-tena . Nilaza ny mpitsabo fa tsy maintsy mandalo fitarafana izy mialoha ny hirosoana amin’ny fitsaboana.

 Taoriany fitarafana ( Radio ) natao no nahafantara fa misy fantsika roa lehibe ao amin’ny tsinainy ‚ iray mitsivalana eo amin’ny tsinay lehibe sy tsinay kely mifantsika eo ‚ ny iray hafa mitsatoka eo amin’ny taolana any ambany amin’ny “rectum” ‚ nahitana tapaka sotro vy sy boroso nify ihany koa tao anaty tsinain’ity tovolahy ity ka tsy maintsy nandalo fandidina ary nanapahana 20 hatramin’ny 25 cm ny tsinainy.

 Tsy misy atahorana ny fahasalamany ankehitriny ‚ efa manao ny ezaka ny mpitsabo izay mikarakara azy ‚ faly sahirana ny fianakaviana izay tsy manam-bola be amin’izao fahavelomany havany izao . Tsy mbola fantatra hatreto izay antony nahatonga ireto fantsika sy tapaka sotro ary boroso nify ireto tafiditra anaty vatany.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment