FILOHA ANDRY RAJOELINA : IZAY MARARY ANAREO ‚ MARARY AHO SY NY FIANAKAVIAKO IHANY KOA
Niompana tanteraka tamin’ny sosialim-bahoaka ny fitsidiham-paritra Boeny ‚ nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tao Mahajanga androany 11 Febroary 2023.
Nitsinjovina manokana ireo vahoaka traboina vokatry ny rivo-doza cheneso ‚ notolorana PPN sy kojakoja maro izy ireo . Nisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana sy fitsaboana maimaimpoana tamin’ny alalany “caravane sanitaire” ‚ nitsirihana ny aretina covid-19 ‚ diabeta ‚ homamiadan’ny nono ‚ fitsaboana nify ‚ aretin’ny voa… Ary nidina ifotony tao Mahavoky avaratra izay misy olana mahakasika ny tany ao amin’ny cité Kamisy ihany koa ny Filoha.
Izay marary anareo vahoaka ‚ marary ahy sy ny fianakaviako ihany koa ‚ hoy ny Filoha Andry Rajoelina.