a
FandraisanaPolitikaCENI : HATAO AMIN’NY 09 NOVAMBRA 2023 NY FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA MALAGASY ‚ FIHODINANA VOALOHANY

CENI : HATAO AMIN’NY 09 NOVAMBRA 2023 NY FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA MALAGASY ‚ FIHODINANA VOALOHANY

CENI : HATAO AMIN’NY 09 NOVAMBRA 2023 NY FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA MALAGASY ‚ FIHODINANA VOALOHANY

Raha tsy misy fihovana dia amin’ny Alakamisy 09 Novambra 2023 izao no hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara ‚ fihodinana voalohany ‚ amin’ny Alarobia 20 Desambra 2023 kosa ny fihodinana faharoa ‚ io no no vinan-tetiandrom-pifidianana navoakan’ny birao mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI androany 10 Febroary 2023.

 Miisa 9 906 702 ny olom-pirenena efa ao anaty lisi-pifidianana hatreto ‚ mbola mitohy hatramin’ny 31 Mey 2023 ny fahafahana misoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana eny amin’ny fokontany.

Marihina fa nalefa any amin’ny Governemanta ny volavolan’ny daty sy tetiandro mifanaraka amin’izany ‚ nalefa any amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ihany koa mba hakana hevitra ‚ araka ny fanazavana hatrany.
Raha ny lalàna dia tokony hametra-pialana 60 andro mialohan’ny daty hanatanterahana ny fifidianana ‚ ny Filoham-pirenena amperinasa ‚ raha mbola manam-pikasana hirotsa-kofidina.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment