a
FandraisanaVaovaom-paritraBEALANANA : TAFAKATRA 40 000AR NY SARAN-DALANA MANDEHA ANTSOHIHY

BEALANANA : TAFAKATRA 40 000AR NY SARAN-DALANA MANDEHA ANTSOHIHY

BEALANANA : TAFAKATRA 40 000AR NY SARAN-DALANA MANDEHA ANTSOHIHY

Tsy sahy miditra intsony ireo Sprinter nanao fitateram-bahoaka mampifandray an’i Antsohihy sy Bealanana amin’izao fotoam-pahavaratra izao ‚ noho ny haratsian-dalana . Ireo fiara tsy mataho-dalana ihany sisa afaka miditra an-tsehatra amin’ny fitateram-bahoaka mba afahan’ny vahoaka mivezivezy.

Tafakatra 40 000Ar ny saran-dalana ‚ raha 30 000Ar izany teo aloha ka velon-taraina ny mponina fa indrindra ireo izay tsy maintsy mandeha ‚ ireo teren’ny aretina ‚ tereny velon-tena…

Tafiditra anatin’ireo tetik’asa fanamboaran-dalana 2023 ny lalam-pirenena faha-31 mampifandray an’i Antsohihy sy Bealanana araka ny fanambarana sy tatitra nataon’ny filoham-pirenena amperinasa ny 31 Desambra 2022 teo . Andrasany maro ny fanatanterahana sy fahavitany asa ‚ izay mbola tsy manomboka hatreto.
Marihina fa ny fitondram-panjakana foibe ‚ ny minisiteran’ny asa vaventy no tompon’andraikitra ary manampahefana misahana ny fanamboarana ny lalam-pirenena.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment