a
FandraisanaFialambolyTSALENJY LEHILAHY MIFANOROKA ATSAHARO

TSALENJY LEHILAHY MIFANOROKA ATSAHARO

TSALENJY LEHILAHY MIFANOROKA ATSAHARO

Ô ry zalahy a ! Fa mivoatra mankaiza e ?
Nandany firy taona nandrovitra kilaoty tany am-pianarana ve dia izany no fahaizana aely eraky ny tambazotran-tserasera ?
Fialamboly ? Tsara ve ? Mendrika ve ?
Fampiderana fananana ? Nahoana raha omena ny mahantra ?
Ny adala aza ity efa mampitsanga-menatra dia ianareo hendry indray no mibirioka ?
Tsaroanareo moa ny nanajanonana ny « bizutage » tany amin’ny sekoly ambaratonga ambony, ilay fanaovana takon-kenatra ivelan’ny pataloha ?
Rehefa mivoana amin’ny soatoavina dia tsy mendrika ankalazaina.
Fampidirana iny.
Fa ity ny votoatiny:
Toy izao ny voalazan’ny lalàna.
Fehezan-dalàna famaizana andininy faha 330: ho faizina telo volana ka hatramin’ny roa taona an-tranomaizina ary sazy vola 20.000 ariary ka hatramin’ny 200.000 ariary izay nanao fihetsika mamoafady imasom-bahoaka.
Raha natao teo imason’ny zaza tsy ampy taona ilay fihetsika dia herintaona hatramin’ny telo taona ny sazy an-tranomaizina ary 1.000.000 ariary ka hatramin’ny 4.000.000 ariary ny sazy vola.
Loi N° 2014-006 du 17 Juillet 2014 sur la lutte contre le cybercriminalité
Art 23: Quiconque aura attenté aux mœurs, par l’utilisation d’un support informatique ou électronique en excitant, favorisant ou facilitant, pour satisfaire les passions d’autrui, la débauche, la corruption ou la prostitution enfantine de l’un ou de l’autre sexe est puni des travaux forcés à temps (…).
Fehiny:
Misoroka ny tsy hiparitahan’izao fomba ratsy izao izahay izay tsy mbola ankatoavin’ny lalàna velona eto Madagasikara.
Mampianatra anareo tanora antoky ny ho avy ny zandarimaria.
Betsaka ny fialam-boly azo atao.
Aza mety amporisihin’olona hanaonao foana noho ny fitiavam-bola.
 Fahafaham-baraka fa tsy laza.
Afaka miditra an-tsehatra manasazy koa anefa raha ilaina.
HENDRE TSARA – MBÀ MATOTRA
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment