RN6 – PK 372 ( MAHITSOAZO – MAROVATO SUD ) : TAPAKA ‚ NISARA-DROA NY LALANA
Efa eny ifotony ny Orinasa ISO Construction amin’izao manao ny fanarenana sy fanamboaran-dalana vonjy maika ao amin’ny lalan-tapaka anelanelany Mahitsoazo sy Marivato sud ‚ aloha kelin’ny tetezana Ratsianarana PK 372 ‚ aloha kelin’i Maromandia.
Tombanana hiverina afaka adiny roa na telo eo ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-06 ‚ raha ny fanazavana nataony Talem-paritra misahana ny asa vaventy aty amin’ny Faritra Sofia.