a
FandraisanaFambolena sy fiompinaDREDD SOFIA : TSY AFA-MISARAKA AMIN’NY FIAINAN’OLOMBELONA NY ATIALA KA TOKONY AROVANA MAFY ARY AMPITOBOINA

DREDD SOFIA : TSY AFA-MISARAKA AMIN’NY FIAINAN’OLOMBELONA NY ATIALA KA TOKONY AROVANA MAFY ARY AMPITOBOINA

DREDD SOFIA : TSY AFA-MISARAKA AMIN’NY FIAINAN’OLOMBELONA NY ATIALA KA TOKONY AROVANA MAFY ARY AMPITOBOINA

 Zana-kazo 8112 iisa no voavoly manodidina ny Oniversite Philibert Tsiranana Anahidrano ‚ Distrikan’i Antsohihy androany 06 Febroary 2023 nandritra ny fanokafana ofisialy ny taom-pambolen-kazon’ny Faritra Sofia.

 Navitrika ny tanora sy ny hery velona rehetra ato amin’ny Faritra izay misy Distrika 07 ‚ samy nahitana solontena nitrika ity fotoan-dehibe ity . « Ilaintsika ny atiala ary foto-pivelomantsika ny fisiany raha tsy hilaza afa tsy ny “oxygène” izay avoakany fotsiny aza ka andao arovana sy ampitoboina izy io mba afahantsika mivelona ao anaty fiarahamonina mirindra sy milamina voaravaka tontolo maitso » hoy ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy Sofia ‚ Manantsoa Clermond ‚ raha nilaza sy namotsipotsitra fa ny fahapotehany atiala no fototry ny ratsy eto amintsika ary miteraka korontana sy fahasahiranana hoantsika ‚ anisany nalainy ohatra tamin’izany ny fiovaovany toetrandro ‚ hain-tany…

Resilahatra ny ankamaroan’olona niatrika ny fotoana ary nilaza hifanome tànana ary handray andraikitra amin’ny fanarenana ny ala potika sady hiaro izany amin’ny doro-tanety sy tetik’ala ‚ nilaza rahateo moa ny Jly Lylyson René de Rolland ‚ Governoram-paritra fa tsy misy afa-bela ireo izay tratra mandoro tanety sy manao tetik’ala na mandripaka ala ho fiarovana ny aim-bahoaka.

 Nandefa fialantsiny ny Minisitra Orléa Vina noho ny tsy fahatongavany ary nanolotra Omby matavy 03 sy vary amin’ny gony maromaro ‚ hoan’ireo izay nanohy ny fambolen-kazo avy amin’ny kaominina manodidina aman-jatony tonga ao Anahidrano.

 Tazana teny ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Befandriana avaratra ‚ ny Sekretera jeneraly eo anivon’ny ministeran’ny jono sy toekarena manga ‚ ny Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy ‚ Lehiben’ny Distrika Analalava sy Port Bergé ‚ ireo talem-paritra sy tompon’andraikitra lehiben’ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ‚ ny Fikambanana Tanora ‚ mpianatra ‚ Olom-pirenena maro ‚ ny hery velona rehetra.

« Zé mamboly Kakazo mamelogno aigny salakady mamelogno Madagasikara » io no lohahevitra nosafidina tamin’ity taona 2023 ity ary afaka maka zana-kazo eny anivon’ny sampandraharaha misahana ny tontolo iainana isaka ny Distrika izay resilahatra fa hanao fambolen-kazo ‚ araka ny fanazavana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment