a
FandraisanaVaovaom-paritraSAMBAVA : VILANY FENO VARY MASAKA MIPETRAKA ANDAKOZIA▪️NANGEREN’OLONA

SAMBAVA : VILANY FENO VARY MASAKA MIPETRAKA ANDAKOZIA▪️NANGEREN’OLONA

SAMBAVA : VILANY FENO VARY MASAKA MIPETRAKA ANDAKOZIA▪️NANGEREN’OLONA

 Renim-pianakaviana handoatra vary tokony ho tamin’ny 07 Ora alina ‚ omaly 02 Febroary 2023 no nahita ity bolon-tay ‚ nipetraka teo ambony vary masaka anaty vilany tao andakozia ity.

Nilaza ho tsy nisy nahita na nahalala izay nahatongavan’izany ireo fianakaviana tao anaty trano izay efa tena noana ary efa misy mitomany ny ankizy sasany araka ny fanazavana.

Voatery nariana miaraka amin’ny vilany ny vary sy loka izay nahitana loto ity ary samy lasa saina ny rehetra nandinika ny olona izay mety mahavita izao haratsiam-panahy izao sy ny antony nanaovana izany tao Ambodivalotra‚ kaominina Morafeno Distrikan’i Sambava.
( Notakomana ny sary mba tsy hampaloiloy ny sasany )
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment