a
FandraisanaFampianaranaFAOYA BEMANANJARA : VOAFIDY HO FILOHAN’NY MPIANATRA ZANAK’ANTSOHIHY AO AMIN’NY ONIVERSITE FIANARANTSOA

FAOYA BEMANANJARA : VOAFIDY HO FILOHAN’NY MPIANATRA ZANAK’ANTSOHIHY AO AMIN’NY ONIVERSITE FIANARANTSOA

FAOYA BEMANANJARA : VOAFIDY HO FILOHAN’NY MPIANATRA ZANAK’ANTSOHIHY AO AMIN’NY ONIVERSITE FIANARANTSOA

Vonona hanompo sy hitarika ary hitondra avo ny voninahitry ny tanànan’i Antsohihy matoa nirotsa-kofidina ho filoha mpitarika ny Fikambanana MAFEA ( Meilleur Association Futurs Élite d’Antsohihy ) ny tenako . Ny fiarahamoninan’ny mpianatra zanaka Antsohihy mirindra sy milamina ‚ anjakany fifankatiavana ary fahombiazana no tanjona ka ataontsika ny hevitra rehetra ‚ hifanampiana mba hahatratrarana izany ‚ ny hahavitantsika fianarana ‚ ny hitondrasantsika anjara biriky amin’ny fanatsarana sy fampandrosoana ny Tanindrazana izay iarahamanana ‚ hoy Florin Faoya Bemananjara ‚ raha nandray fitenenana taoriany naha voafidy azy ho filoha mpitarika ny Fikambanana mpianatra zanaka Antsohihy ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa ‚ ny herinandro lasa teo.

Miarahaba sy mirary azy hahavita be amin’ny Fikambanana ireo tanora sy Ray aman-dreny zanaka Antsohihy ao Fianarantsoa sy ireo mieli-patrana eran-tany ‚ izay nilaza vonona hiarahiasa sy hifanome tànana aminy.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment