a
FandraisanaFambolena sy fiompinaSOFIA SY NY TONTOLO MAITSO : MIRINDRA NY PAIK’ADY HIATREHANA NY 06 FEBROARY 2023

SOFIA SY NY TONTOLO MAITSO : MIRINDRA NY PAIK’ADY HIATREHANA NY 06 FEBROARY 2023

SOFIA SY NY TONTOLO MAITSO : MIRINDRA NY PAIK’ADY HIATREHANA NY 06 FEBROARY 2023

 Raha tsy misy ny fihovana dia ho tonga hiaraka hanao fambolen-kazo iraisana ao Anahidrano ny Minisitra Orléa Vina ny 06 Febroary 2023 izao . Nisy araka izany ny dinika niraisan’ny tompon’andraikitra ‚ ireo lehiben’ny sampandraharaha ifotony nandrindrana sy nandaminana ny paik’ady andraisana sy hanatontsosana ny hetsika rezionaly ‚ fanombohana ny taom-pambolen-kazo 2023.

Nitarika izany ny Gouverneur Faritra Sofia sy ny lehiben’ny Prefektiora Antsohihy . Izay mamboly hazo mamelona aina ary mamelona an’i Madagasikara koa aza misalasala amin’io fotoana io fa hisy fiara mitatitra olona makany Anahidrano ‚ mihainga avy eo amin’ny Biraon’ny Faritra Sofia manomboka amin’ny 05 Ora maraina amin’io andro voalaza etsy ambony io ‚ raha ny lamina napetraka sy tapaka nandritra ny fivoriana androany 31 Janoary 2023.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment