a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : MILA FONGORINA HAINGANA NY TAMBAZOTRA MPAMAKY TRANO

ANTSOHIHY : MILA FONGORINA HAINGANA NY TAMBAZOTRA MPAMAKY TRANO

ANTSOHIHY : MILA FONGORINA HAINGANA NY TAMBAZOTRA MPAMAKY TRANO

Na manao ezaka ny mpitandro filaminana ka miraviravy tànana ny vahoaka na fokonolona ao anaty fiarahamonina dia ho sarotra ary hanjaka anaty fotoana maro ny tsy fandriampahalemana . Ny firaisankina sy ny fahavononana ary fiarahamiasa ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka no fanalahidy mahomby hoan’ny fandriampahalemana.

Betsaka ireo fokontany lasibatry ny vaki-trano tatoato ‚ amoizana fananana maro izany . Bisikleta ‚ écran plat 50″ ‚ lecteur ‚ décodeur ‚ rideau ‚ lafipandriana ‚ vilany ‚ vilia sns no very tao Ambalabe Est kaominina ambonivohitry Antsohihy herinandro vitsy lasa izay ‚ finday ampolony maro very vokatry ny vaki-trano tao Madosomaiky ‚ finday sy fitaovam-piasany mpitsabo very tao Ambalapamba sns tsy voatanisa ary ingahy Stephanot dit PASITERA no voalaza sy voatonontona ho ambadik’ireo halatra sy vaki-trano ireo ary tsy mbola voasambotra hatramin’izao.

Manoloana izany‚ tokony hanamafy paik’ady ny mpitandro filaminana hisamborana azy sy ireo tambazotran-dahalo miaraka aminy ‚ toraka izany ihany koa ny fokonolona sy ny mpiaramonina ‚ mba hanamafy ny firaisankina ary indrindra hanome vaovao ny mpitandro filaminana ara-potoana raha mahita azy mivezivezy na koa manana loharanom-baovao momba azy.

Tsy mbola nahazo sariny na filazana fikarohana azy izahay mpanao gazety eto Antsohihy hatreto fa ho zarainay eto ihany izany rehefa omen’ireo tompon’andraikitra sy manampahefana mahakasika izany.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment