RIJA RAKOTOZANAKAJY : AVOAHY NY DIDIM-PANJAKANA MANOME ALALANA NY MALAGASY HANAMBOATRA IREO LALAM-PIRENENA POTIKA FA MIKATSO NY TOE-KARENA
Firenena iaraha-manana tsy azo atao sorona !Averina fanindroany ato anatin’ny iray volana ny fangatahana ny hamoahana didimpanjakàna (décret) manome alalana ny Malagasy rehetra hanamboatra ny Lalampirenena fa kofina ny fitondram-panjakana foibe.
Fikambanana aman’arivona sy antoko politika aman-jatony misy eto Madagasikara ity ve dia tsy mba hisy vitsivitsy hanondrotra tanan’akanjo hiasa hamonjy ny mpiara-belona aminy izay tsy manana tanindrazana hitsoahana raha tsy eto Madagasikara ihany ?
Hisorohana ny « bordel » dia arindra eny amin’ny distrika ny fanatanterahana sahaza izany. Izany hoe mampahafantatra (fa tsy mangataka fahazahoan-dàlana a) mialoha ny distrika voakasiky ny Lalampirenena hamboarina . Ity fangatahana ity no natao dia mba hifampitsinjovan’ny samy Malagasy-Malagasy amin’ny fitohanan’ny toe-karena ateraky ny Lalampirenena tapaka. Maro ny hitako @ tamban-jotra serasera Facebook sy eny @ haino aman-jery fa te hanampy fa tsy te hanome vola ho tantanin’ny Ministera misahana ny asa.