a
FandraisanaVaovaom-paritraDRTP SOFIA : MITOHY NY ASA FANATSARANA NY LALAM-PIRENENA FAHA-06 AO AMBALAVOLA AMBALAFAMINTY

DRTP SOFIA : MITOHY NY ASA FANATSARANA NY LALAM-PIRENENA FAHA-06 AO AMBALAVOLA AMBALAFAMINTY

DRTP SOFIA : MITOHY NY ASA FANATSARANA NY LALAM-PIRENENA FAHA-06 AO AMBALAVOLA AMBALAFAMINTY

Omaly 29 Janoary 2023 no niverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-06 ‚ raha nihato noho ny fisian’ny lalan-tapaka tao amin’ny PK 217+100 Ambalavola Ambalafaminty Distrikan’i Antsohihy izany andro vitsy lasa.

 Afaka mivezivezy hatramin’izao ny fiara rehetra raha ny fampitam-baovao voaray fa na izany tsy maintsy manaraka ny lamina mandrapaha hahavitana tanteraka ilay lalana nihotsaka ‚ izay efa anatin’ny fanamboarana azy ny tompon’andraikitra ankehitriny ‚ hoy hatrany ny fampitam-baovao sady nanamafy fa mitohy fanatsarana atao amin’ny fivilian-dalana izay napetraka mba hanalana tanteraka ny fahasahiranan’ny mpandeha sy ireo mpampiasa lalana.

Raha ny zava-misy ifotony dia miezaka ireo tompon’andraikitra amin’ny fandaminana mba afahany fiara rehetra mivezivezy ‚ mety misy fampiatoana kely eny antsefatsefany eny noho ny fandaminana napetraka fa tsy midika ho fahatapahan-dalana izany ka tokony samy ho tony ny rehetra manoloana ny mety fanararaotana ataony sasany manoloana ny tranga tahaka izao ‚ hoy ny tompon’andraikitra sasany nitondra fanazavana.
( Sary nalaina androany 30 Janoary 2023 ‚ tokony ho tamin’ny 01 Ora tolakandro teo )
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment