ANTSOHIHY : NANARINA NY LALANA SIMBA TAO ANKIRIRIKY NORD NY FOKONOLONA
Sahirana ireo fokonolona mipetraka ao amin’ny fokontany Ankiririky Nord II kaominina ambonivohitry Antsohihy‚ akaikin’ny stade monisipaly raha nandalo ny rotsa-korana mafy ‚ izay nandrava ny ampahany tamboho ao amin’ny kianja monisipaly ka nandrakotra ny lalana amin’ny hilany avaratra andrefan’ny kianja iny . Nisy tanamaro niraisan’ny fokonolona manodidina iny toerana amin’ny fanarenana ny lalana mba tsy hampanahirana androany 29 Janoary 2023.
Fihetsika mahatehidera ary azo alain-tahaka izany fandraisana andraikitra izany . Tazana teny an-toerana nisolotena ny kaominina ambonivohitra Antsohihy tamin’ny hetsika izay natao ny lefitry ny Ben’ny tanàna faharoa.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.