RN6 : MIADY MAFY NY FIARA VAO TAFAVOAKA NY LALANA AO AMBALAVOLA AMBALAFAMINTY
Tsy tafavoaka ao amin’ny lalam-pirenena faha-06 ‚ ao Ambalavola kaominina Ambalafaminty Distrikan’i Antsohihy ‚ izay misy lalan-tapaka ny fiara iray raha tsy misy mpanoro lalana miaraka aminy ary manosika any antsefatsefany any.
Tafakatra hatramin’ny 50 000Ar ny karaman’ireo mpanoro lalana maromaro mitambatra ‚ izy ireo no miantoka fivoahany fiara izay tsy maintsy mandalo any anaty ala mandritra ny adiny iray eo na mahery ‚ arakaraka ny lalana ampandalovan’ireo mpitarika.
Misy lalana azo andalovana ‚ afaka fiara hatramin’ny Sprinter fitateram-bahoaka ao fa mandalo anaty ala ‚ hoan’ireo izay maika hanohy ny dia ‚ hoy ireo mpanoro lalana sady manosika raha sendra mitohana . Efa miezaka manarina ilay lalan-tapaka ny fitondram-panjakana mba hitohizany fifamoivoizana.