a
FandraisanaVaovaom-paritraRN6 : MIHATO NY FIFAMOIVOIZANA AO ANTSATRAMANERA▪️KAMIAO ( semi-remorque ) IRAY NITSOAKA TAMPOKA TEO AMIN’NY FOTAKA MANDREVO ‚ MIBAHAN-DALANA

RN6 : MIHATO NY FIFAMOIVOIZANA AO ANTSATRAMANERA▪️KAMIAO ( semi-remorque ) IRAY NITSOAKA TAMPOKA TEO AMIN’NY FOTAKA MANDREVO ‚ MIBAHAN-DALANA

RN6 : MIHATO NY FIFAMOIVOIZANA AO ANTSATRAMANERA▪️KAMIAO ( semi-remorque ) IRAY NITSOAKA TAMPOKA TEO AMIN’NY FOTAKA MANDREVO ‚ MIBAHAN-DALANA

Miezaka manarina ireo lalana tapaka mba afahany fiara mivezivezy sy hitohizany fifamoivoizana ny fitondram-panjakana . Na izany ‚ potika tanteraka iny lalam-pirenena faha-06 ary efa miverina ho lalam-potaka ny ampahany ka mampanahirana ny mpamily rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao.

Ny ariva teo no nandalo teto Antsatramanera ity fiara vaventy iray kamiao “semi-remorque” ity ‚ niady mafy tamin’ny fotaka mandrevo eo akaikin’ny tetezana Mahasoa izy saingy nitoaka tampoka ny lohany ary nisara-droa ny lohany kamiao sy “remorque ” nohentiny . Niezaka nijery lalan-kafa mandalo any an-tanimbary ihany ireo kamiao hafa avy tati aoriana ‚ rehefa tsy afaka sy nibahan-dalana ilay kamiao “semi-remorque” . Tafavoaka rehefa niady mafy ireo kamiao ‚ nanaraka ireo fiara fitateram-bahoaka ‚ izay tsy maintsy nampiarihina tamin’ny tosika ary fokonolona maro mamalavala azy sy manosika azy mba tsy hitera-doza nohon’ny lalana malama sady mandrevo noho ny fotoka.

 Efa nody avokoa ny fokonolona amin’izao raha ny fampitam-baovao voaray ‚ tsy mbola tafahala fa mibahana ny lalana ao ilay kamiao na efa miezaka mitady vahaolana ireo mpamily sy ny fokonolona ifotony ‚ tsy azo idirana alina ihany koa ny any an-tanimbary ho fisorohana ny loza.

Tsy maintsy mijanona eo amin’ny poste contrôle ao Antsatramanera ireo fiara rehetra izay mikasa hianatsimo mba ho fitandroana ny filaminana sy hiarovana ny loza mety hitranga araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana.

 Tokony misakafo voky tsara avy ao Mampikony ireo mikasa handalo amin’iny lalam-pirenena faha-06 eo Antsatramanera iny . Tombanana ho rahampitso maraina vao mahita vahaolana amin’ny fitohizany fifamoivoizana ‚ hoy ireo manampahefana ifotony nampita vaovao.

Marihina ihany koa fa mbola tapaka ary mbola ao anatiny fanarenana ny lalam-pirenena faha-06 ao amin’ny PK 217+100 ao Ambalavola Ambalafaminty Distrikan’i Antsohihy ‚ ny tompon’andraikitra avy amin’ny Faritra Sofia miaraka amin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy – MTP Madagascar .
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment