SOFIA SY TONTOLO MAITSO : HO TONGA HANOKATRA TAOM-PAMBOLEN-KAZO AO ANAHIDRANO NY MINISITRA ORLÉA VINA
Tanterahina ao Anahidrano ‚ Distrikan’i Antsohihy eo amin’ny toerana misy ny Oniversite Philibert Tsiranana sy ny manodidina azy ary manamorona ny lalam-pirenena faha-06 ny hetsika fanokafana ny taom-pambolen-kazo Sofia 2023 . Izay hanasana vahoaka rehetra tsy an-kanavaka hiaraka ‚ fikambanana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ‚ sampandraharaharam-panjakana sy tsy miankina ‚ vondrona mpilatsaka antsitra-po sns.
Ny 06 Febroary 2023 izao no hanatanterahana ny hetsika goavana io‚ ho tonga hanontrona ny faritra Sofia ary hiaraka hamboly zana-kazo ny Minisitry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy ‚ Ramatoa VINA Marie-Orléa raha tsy misy fihovana . Efa vonona ny zana-kazo an-tapitrisany avy ao amin’ny “pépinière géante” ao Anahidrano izay ho ampiasaina handrakofana ny Faritra Sofia sy ho ampiasaina amin’io fotoana io ka tonga maro isika . Izay mamboly zana-kazo ‚ mamelona an’i Madagasikara ‚ hoy ny talem-paritry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy ‚ Manantsoa Clermont omaly 26 Janoary 2023.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.