a
FandraisanaSosialyMAMPIKONY : NITONDRA VARY FOTSY FANAMPIANA IREO TRABOINA NY FIKAMBANANA GOMABE

MAMPIKONY : NITONDRA VARY FOTSY FANAMPIANA IREO TRABOINA NY FIKAMBANANA GOMABE

MAMPIKONY : NITONDRA VARY FOTSY FANAMPIANA IREO TRABOINA NY FIKAMBANANA GOMABE

 Noraisina ao amin’ny Tranompokonolona ireo vahoaka traboina vokatry ny loza voajanahary ‚ rivo-doza CHENESO izay nandalo tao amin’ny Distrikan’i Mampikony . Amin’ny fahasahiranana mafy mianjady izay tsy nisy nanapo tahaka izao no ahitana sy ahafantarana izay tena namana ‚ ny tarigetran’ny Fikambanana GOMABE rahateo « Ny fihavanagna natao lakile » ka nitondra izay voatsirabin’ny tànana izy ireo ‚ vary fotsy amin’ny gony maro hoan’ireo traboina ao amin’ny Tranompokonolona sy ao Betsingiala ary ao Ampampamena izy ireo androany 26 Janoary 2023.

Nanampy betsaka tamin’ity hetsika ity ny filoham-boninahitrin’ny Fikambanana GOMABE Atoa André Andrimpirenena ‚ Tonia mpampanoa lalàna ao Maintirano izay zanaky Mampikony . Nitondra teny fankaherezana ireo traboina ny filohan’ny Fikambanana GOMABE ‚ Atoa Jean-Paul . Tsy misy manana ny ampy tokoa fa sambatra izay mifanampy.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment