MAFY NY FIAINANA ARY TENA MAFY RAHA SENDRA OLÀNA
Votabia amin’ny kesika maro sy entana maro samihafa no tsy maintsy nafoy tao anatin’ity fiara fourgon izay tra-doza tao amin’ny PK 217+100 Ambalavola ‚ Kaominina Ambalafaminty Distrikan’i Antsohihy ‚ lalam-pirenena faha-06 androany 26 Janoary 2023 ity . Nisara-droa ny lalana ary efa ao anaty famahana ny olana ny fitondram-panjakana.
Fiara avy any Antananarivo izy io ‚ azo antoka fa niaina ireo lalan-dratsy sy rano niakatra noho ny rotsa-korana mafy teny an-dalana ‚ tsy ho resahina ireo vola tsy omena ireny fokonolona manosika fiara raha sendra rano na “guide” fotsiny aza . Tsy nisy aina nafoy fa simba kosa ny fiara ary nanjavona lasany rano ny entana tao anatiny na niezaka nanampy aza ireo mpamily namany ary ireo mpandeha . Ilay mpamily irery no tao anaty fiara raha ny fanazavana hatrany.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.