a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : RODANA NY TAMBOHO AO AMIN’NY KIANJA MANARAPENITRA

ANTSOHIHY : RODANA NY TAMBOHO AO AMIN’NY KIANJA MANARAPENITRA

ANTSOHIHY : RODANA NY TAMBOHO AO AMIN’NY KIANJA MANARAPENITRA

 Tsy nisy aina nafoy na olona naratra fa ny tamboho amin’ny hilany avaratra andrefana ity rodana noho ny hamafiny rotsa-korana nisesisesy tatoato izay.

 Tsy mbola mampisy fanantenana ny hahavitany kianja manarapenitra ity ao anaty 05 volana na efa nanomboka tamin’ny taona 2020 aza ny asa fanorenana azy ao amin’ny fokontany Ankiririky Nord II ‚ kaominina ambonivohitry Antsohihy ‚ raha ny fahitana ny zava-misy ifotony amin’izao ny Orinasa manamboatra azy rahateo tsy tazana miasa ‚ noho ny antony tsy fantatra.

Efa rodana ny ampahan’ity tamboho ity ny Janoary 2022 ka nosoloina fefy hazo izy tamin’izany ‚ izao rodana indray ny ilany hafa ary ahiana ho rodana ihany koa ny tamboho amin’ny hilany raha mitohitohy ny rivotra sy ny rotsa-korana ‚ izany no hanairana ny tompon’andraikitra mba hijery vahaolana manidrify izany.

Efa nisy ny fidinana ifotony nataony fiadanana ny tanàna sy ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny tobim-paritry Zandary omaly 25 Janoary 2023.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment