GRC SOFIA : MITOHY NY TSY FIANARANA SY FANDRARANA FIVEZIVEZENA AN-DRANOMASINA NOHO NY ROTSA-KORANA SY ANDRO RATSY
Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny komity misahana ny loza voajanahary ato amin’ny Faritra Sofia ( GRC ) androany 25 Janoary 2023 dia mbola mitohy ny tsy fianaran’ny mpianatra manerana ny Faritra Sofia‚ na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana . Mbola miato araka izany ihany koa ny fitaterana sy fivezivezena an-dranomasina ho fitsinjovana ny vahoaka ato amin’ny Faritra.
Manao sonia ny Governoran’ny Faritra Sofia sy ny Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.