a
FandraisanaFampianaranaPROFESORA LOULLA CHAMINAH : ATAHORANA MAFY KA HAMORONANA “DOSSIER”

PROFESORA LOULLA CHAMINAH : ATAHORANA MAFY KA HAMORONANA “DOSSIER”

PROFESORA LOULLA CHAMINAH : ATAHORANA MAFY KA HAMORONANA “DOSSIER”

Nanaitra ny mpanara-baovao ny fahitana ny fanehoan-kevitra nisesisesy nataon’ny Profesora Loulla Chaminah tao amin’ny kaonty Facebook-ny tatoato izay . Nanomboka nanadihady momba izany ny mpanao gazety ary namantatra izay mety ho antony fanehoan-kevitra fa tsy tongatonga ho azy izany.

 Talen’ny sekoly fampianarana lalàna ao Mahajanga izay efa misy rantsana amin’ny Faritra maro ‚ Profesora vehivavy zandriny indrindra manana diplôme HDR eto Madagasikara izy . Efa nisy nikasa haka an-keriny izy sy ny mpiaramiasa aminy tamin’ny taona 2019 saingy tsy tanteraka izany ‚ izao indray misy mikasa hitoroka azy eo amin’ny Bianco ‚ mba handotoana azy . Raha ny vaovao miely ao Mahajanga dia atahoran’ireo mpanao politika mpanohana fitondrana sasany mafy izy nohon’ny traikefa sy fahaizana ananany ka farahian’izy ireo amin’ny fanendrena Minisitra izay manomboka maresaka tatoato.

Manoloana izany ‚ mankahery ny Profesora ireo mpianatra zanakin’ny Mahajanga fa indrindra ny zanaky ny Faritra Sofia izay faritra nihaviany . Mazava ihany koa ny hafatra nalefany tao amin’ny kaontiny hoan’ireo izay mikasa hamotika sy hanimbana ary hanao vela-pandrika ka hampiditra am-ponja azy . « Mba ataonareo honona ma matetika olo tsy tafiditra 1er année en Droit ireny ndrô tia kabary ki mitoritory Io?” hoy izy.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment