ANTSOHIHY : MIKIJA NY ORANA▪️NIDARABOKA ILAY HAZO VAVENTY EO AMORON-DALANA AO AMBALABE-EST
Hatramin’ny maraina ka hatramin’izao ora anoratanay izao dia mafy ny rotsa-korana eto Antsohihy renivohitry Faritra Sofia ary hitohy hatramin’ny rahampitso 26 Janoary 2023 izany hoan’ny Distrikan’i Antsohihy sy Analalava araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny tompon’andraikitra misahana ny toetrandro ato amin’ny Faritra.
Ny maraina tokony ho tamin’ny 11 Ora sy sasany teo no fantatra fa nidaraboka amin’ny arabe ilay hazo vaventy manamorona ny lalam-pirenena faha-06 ‚ ao amin’ny fokontany Ambalabe Est ‚ eo amin’ny sekoly “ La Providence ” . Tery araka izany ny lalana ary ahiana hitera-doza raha tara ny fandraisana andraikitra amin’ny fanesorana azy ‚ mirafidrafitra eny rahateo ny tarobia maro hoan’ny tambazotram-pifandraisana ary ireo heverina ho mitondra herinaratra.