AMBOHIMANGAKELY : LEHILAHY IRAY TRA-TEHAKA TEO AMPANGALARANA VARY FOTSY SY VILANY
Fahasahiranana lalina ve sa finiavana na fahazarana mangalatra fotsiny ? Hoy ny mpanara-baovao raha nahita Lehilahy iray mpanjaitra kiraro ao Ambatotokana Tsarahasina ‚ tra-tehaka teo ampangalarana vary fotsy amin’ny siô sy vilany iray tao anaty tokantrano iray ao Ambohimpiainana.
Nohentina zandary ao Ambohimangakely ity farany ary niaiky ny zavatra nataony ka hatolotra fampanoavana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.