a
FandraisanaFampianaranaDREN SOFIA : MIVERINA AMIN’NY AMPAHANY NY FAMPIANARANA

DREN SOFIA : MIVERINA AMIN’NY AMPAHANY NY FAMPIANARANA

DREN SOFIA : MIVERINA AMIN’NY AMPAHANY NY FAMPIANARANA

Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena ato amin’ny Faritra Sofia dia miverina amin’ny ampahany ny fampianarana ato amin’ny Faritra manomboka rahampitso Alarobia 25 Janoary 2023 :
– Miverina mianatra ny CISCO Antsohihy ‚ Analalava ‚ Befandriana avaratra ‚ Bealanana ary Mandritsara.
– Mbola mitohy noho ny fiakarany rano kosa ny tsy fianarana ao amin’ny CISCO Mampikony sy Port Bergé.
– Mbola mitohy tsy mianatra ny “préscolaire” rehetra manerana ny Faritra Sofia.
Ireo toerana mbola ahitana rano miakatra na ahitana mpianatra miampita rano ato anatin’ny DREN Sofia ka tafiditra anatin’ireo Cisco miverina mianatra dia mbola mijanona sy tsy mahazo mianatra fa miandry fidinany rano vao manohy fampianarana ‚ ho fisorohana ny loza . Entanina isika tompon’andraikitra rehetra eo anivon’ny fampianarana mba samy hanaramaso ny zavamisy any ifotony izay iadidiantsika tsirairay avy any , ary hiampita vaovao ara-potoana amin’ny tompon’andraikitra afahana mandray fepetra mifanaraka amin’izany ‚ hoy ny hafatra nalefany Talem-paritrin’ny fanabeazam-pirenena.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment