a
FandraisanaVaovaom-paritraJLY LYLYSON : MBOLA ENY AN-KIANJA MIARAKA AMIN’NY VAHOAKA

JLY LYLYSON : MBOLA ENY AN-KIANJA MIARAKA AMIN’NY VAHOAKA

JLY LYLYSON : MBOLA ENY AN-KIANJA MIARAKA AMIN’NY VAHOAKA

Efa hatramin’ny omaly 23 Janoary 2023 no tao Tanetilava ‚ mivezivezy eo amin’ny Distrikan’i Mampikony sy Port Bergé ny Jeneraly Lylyson René de Rolland ‚ Governoran’ny Faritra Sofia ‚ miaraka amin’ny vahoaka ‚ mitondra vahaolana hoan’ireo vahoaka traboina vokatry ny fahabetsahany rotsa-korana ary manavotra ireo amin’ny fokontany dibo-drano amin’ny alalany “ vedette rapide ” mba hisorohana amin’ny loza mety hitranga.

Betsaka amin’ireo tompon’andraikitra amin’izao mandefa baiko ao anaty biraony ihany dia milamina ny sainy saingy mifanohitra amin’izany ny an’ity manamboninahitra Jeneraly ity ‚ tsy nanaiky izy raha tsy mahita ifotony afahany mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izany ho tombontsoam-bahoaka.

Mbola eny ifotony hatramin’izao ireo fitaovana fanavotana olona manao ny asany ‚ araka ny fanazavana voaray.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment