RN6 : FIARA SPRINTER SAIKA LASANY RANO TAO ANTSATRAMANERA
Voalaza nampihatra ny di-dohany ilay mpamily nitondra ity fiara mangamanga ity ka tsy nila fanampiana sy torohevitry avy amin’ny fokonolona ifotony izay manampy ireo fiara sy mpandeha rehetra miampita amin’ny “radier” miisa 03 izay difotrin’ny rano eo alohan’ny Pont Mahajamba sy Pont Mahasoa ‚ izay misy rano lalina sy mahery vaika.
Ny kamiao mitondra vesatra 10t ary manana “ filtre à air ” ambony ihany no afaka mamakivaky rano tsy mila tohana avy amin’ny fokonolona miampita ireo “radier” miisa 03 ao Antsatramanera raha ny fanazavana kanefa nandeha amin’ny herin-tsaina ananany ity mpamily Sprinter fitateram-bahoaka mangamanga ity ka saika lasany rano rehefa tonga teo amin’ny “radier” fahatelo izay misy rano mahery vaika . Nihazakazaka nanatona sy nanampy tamin’ny fisontonana azy ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana eny ifotony ( zandary sy polisy ) ary tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Faritra Sofia izay manao ao Antsatramanera ka dia avotra sy tafavoaka soamantsara ilay fiara.