a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaFIVORIABEN’NY MPANAKANTO : NOSAKANANA TSY HIDITRA AO AMIN’NY LAPAN’NY KOLONTSAINA I ROSSY SY NY MPANAKANTO NAMANY KA NILANJA SORA-BAVENTY

FIVORIABEN’NY MPANAKANTO : NOSAKANANA TSY HIDITRA AO AMIN’NY LAPAN’NY KOLONTSAINA I ROSSY SY NY MPANAKANTO NAMANY KA NILANJA SORA-BAVENTY

FIVORIABEN’NY MPANAKANTO : NOSAKANANA TSY HIDITRA AO AMIN’NY LAPAN’NY KOLONTSAINA I ROSSY SY NY MPANAKANTO NAMANY KA NILANJA SORA-BAVENTY

 Fantatra fa tokony ho tanterahina androany 24 Janoary 2023 ny fivoriamben’ireo Mpanakanto mivondrona ao anaty OMDA sady fifidianana izay ho mpikambana ao anatin’ny filan-kevi-pitanana ity rafitra misahana ny zava-kanto eto Madagasikara ity . Andro vitsy mialohan’ny androany io anefa dia nanao fanambarana amin’ny tsy fihetezan’io fotoana androany io ny mpanakanto Rossy sady Solombavambahoaka no filohan’ny Sedikan’ny Artista ‚ niaraka tamin’ireo Mpanakanto namany ‚ ary nilaza izy tamin’izany fa hanao hetsika ‚ « tsy hisy fifidianana mandeha eo » ‚ hoy izy tamin’izany.

Nohidin’ireo mpiambina ny vavahady ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ‚ Antananarivo izay toerana hanatanterahana ny fivoriaben’ny Artista sy hifidianana izay ho mpikambana ao anatin’ny filan-kevi-pitanana ny OMDA ‚ rehefa fantatr’izy ireo fa tamy avy any i Rossy sy ireo Mpanakanto namany androany 24 Janoary 2023 ary nosakanan’izy ireo tsy hiditra izy saingy nampiasa hery sy tsy nanaiky ny fisakanana ka dia tafiditra ihany aveo.

 Ity farany anefa nilaza fa tsy hiditra any indray ho fisorohana ny korontana ary nivoaka niaraka tamin’ny lamba misy sora-baventy efa nomanina mba hamonjy eny amin’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina . Efa rakotra mpitandro filaminana anefa tany ‚ tsy tao ihany koa ny Minisitra Lalatiana araka ny fanazavana ‚ mbola motohy ny hetsika.

Mahatsapa ireo Artista fa voahitsakitsaka ny zo-ny ary iharany fampihorohoroana ara-moraly izy ireo ka tsy manaiky izany intsony.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment