a
FandraisanaPolitikaDEPIOTE PAULBERT SY DEPIOTE PARFAIT : NIDINA TAMPOTAMPOKA TAO BEALANANA

DEPIOTE PAULBERT SY DEPIOTE PARFAIT : NIDINA TAMPOTAMPOKA TAO BEALANANA

DEPIOTE PAULBERT SY DEPIOTE PARFAIT : NIDINA TAMPOTAMPOKA TAO BEALANANA

 Hatairana no nandrenesan’ireo lehiben’ny sampandraharaha sy tompon’andraikitra ara-panjakana tao Bealanana omaly 23 Janoary 2023 ‚ ny fidinana tampotampoka nataon’ny Depiote Paulbert voafidy tao Port Bergé sady lehiben’ny vondrona parlemantera IRD eto Madagasikara ‚ niaraka tamin’ny Depiote Parfait voafidy tao Befandriana avaratra.

Raha ny fanazavana voaray avy amin’ireto Solombavambahoaka ireto dia nidina ifotony ao Bealanana izy ireo ‚ raha nandre ny fahavoazan’ny vahoaka vokatry ny rivo-doza CHENESO ary nijery ireo fotodrafitrasa tokony asiam-panarenana na ireo takaitra navelany rivo-doza ao amin’ny Distrikan’i Bealanana afahana manampy sy mitondra fanampiana mifanaraka amin’izany . Raha ny tatitra vonjimaika ‚ navoakan’ny lehiben’ny Prefektiora Antsohihy ny sabotsy 21 Janoary 2023 teo dia tafakatra hatramin’ny 200 isan’ireo traboina tao Bealanana raha 80 eo ny tao Befandriana avaratra ka izany no anisany antony izao fidinana izao ary nisy ny fihaonana sy fankaherezana ireo mpiasam-panjaka sady fanamafisana ny fiarahamiasa.

Tsy tazana niaraka tamin’izy ireo ny Solombavambahoaka voafidy tao Bealanana ‚ tsy hita nanontrona azy ihany koa ny lehiben’ny Distrika ao an-toerana . Mety misy antony manokana ve ankoatran’ireo voalaza ireo ? Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment