a
FandraisanaVaovaom-paritraMORONDAVA : NOSAMBORINY FOKONOLONA ILAY TOVOLAHY TRATEHAKA TEO AMPANOLANANA

MORONDAVA : NOSAMBORINY FOKONOLONA ILAY TOVOLAHY TRATEHAKA TEO AMPANOLANANA

MORONDAVA : NOSAMBORINY FOKONOLONA ILAY TOVOLAHY TRATEHAKA TEO AMPANOLANANA

Tokony ho mitatao vovonana androany 23 Janoary 2023 no niditra an-keriny tao anaty trano misy tovovavy iray 20 taona tao amin’ny tanàna antsoina hoe Andakabe ‚ Morondava ity tovolahy ity mba hanolana.

Norahonany sy notereny hinono ny filahiana ary hanao firaisana ara-nofo aminy ilay tovovavy fa raha tsy izany dia ho vonoiny ‚ araka ny fanazavana . Nandà izany moa ilay tovovavy dia nanaparany heriny ary izy efa nikikika mafy niantso vonjy vao ren’ireo fokonolona manodidina ka nahatonga azy ireo hamonjy ilay tovovavy sy nisambotra ilay rangahy mpanolana izay tratra teo ampanaovana ny asa ratsiny ‚ hoy hatrany ny fanazavana.

Nateriny fokonolona teny amin’ny fokontany moa ilay rangahy voalaza fa nanolana ity ary efa tonga teny naka azy ny mpitandro filaminana . Efa nalemy kosa ilay tovovavy nohentina namonjy ny toeram-pitsaboana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment