a
FandraisanaVaovaom-paritraRN4 : TAFAKATRA HATRAMIN’NY 10 000AR NY MIAMPITA LAKANA AO AMIN’NY « CROISEMENT AMBONDROMAMY»

RN4 : TAFAKATRA HATRAMIN’NY 10 000AR NY MIAMPITA LAKANA AO AMIN’NY « CROISEMENT AMBONDROMAMY»

RN4 : TAFAKATRA HATRAMIN’NY 10 000AR NY MIAMPITA LAKANA AO AMIN’NY « CROISEMENT AMBONDROMAMY»

Tapaka tanteraka noho ny fiakarany rano ny lalam-pirenena faha-04 ‚ toy izao ny fahasahiranan’ny mpandeha amin’izao fotoana izao ‚ tsy misy mpivarotra sakafo eny an-toerana ‚ tsy maintsy miampita lakana amin’ny sarany 5 000Ar ka hatramin’ny 10 000Ar ny olona iray fa arakaraka ny habetsakin’ny entana raha ny fanazavana . Efa hatramin’ny 10 Ora alina no tonga teto amin’ny « croisement Ambondromamy » lalam-pirenena faha-04 izay misy lalan-tapaka ireto olona ireo saingy tsy mbola tafavoaka hatramin’izao ora anoratana izao.

Tsy misy fiara na moto afaka miampita nohon’ny fisian’ny rano lalina ‚ difotrin’ny rano rahateo ny lalana ka tsy hay izay ao anatiny ka voatery mijanona ‚ miandry fihenan’ny rano ny fiara sy ireo mpandeha tsy manam-bola atao saran’ny lakana sy hisolona fiara ( transbordement ) izay mbola tsy fantatra na misy na tsia . Afaka tsara anefa ny lalana raha miverina any Ambondromamy saingy raikitra nohon’ny fitohanan’ny fiara efa ampolony maro.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment