a
FandraisanaVaovaom-paritraRN6 : TAPAKA NOHON’NY FIAKARANY RANO NY LALANA

RN6 : TAPAKA NOHON’NY FIAKARANY RANO NY LALANA

RN6 : TAPAKA NOHON’NY FIAKARANY RANO NY LALANA

Mbola mitohy ary mafy ny rotsa-korana ao amin’ny Distrikan’i Mampikony ‚ raha ny vaovao azo izao maraina izao dia tsy misy sahy miampita akoatran’ireo kamiao ny lalana ao amin’ny “Radier” alohan’ny Tetezana Mahajamba sy Mahasoa ‚ Antsatramanera Mampikony ‚ lalam-pirenena faha-06 izay difotry ny rano . Miisa 03 ny “ radier ” difotrin’ny rano amin’iny lalam-pirenena faha-06 iny ‚ eo anelanelany Ambondromamy sy Mampikony.

Marihina fa efa nandefa hiraka sy “ vedette rapide ” ary fitaovana maro hanavotana olona ao amin’ny Distrikan’i Mampikony ny Governoran’ny Faritra Sofia.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment