TETEZANA AO ANTSIRADAVA ‚ BEALANANA : LASAN’NY RANO
Ireto hazo roa ireto sisa tavela amin’ny tetezana Antsiradava ‚ lalana andolavana raha ho an’i Andapa mandalo ny lalam-pirenena faha-31 avy ao Bealanana Faritra Sofia ‚ araka ny fanazavana.
Eto no miampita ireo zaza mpianatra sy ireo olona mivezivezy ao an-tanànan’i Antsiradava . Marihina ihany koa fa mandalo ao Antsiradava izay “ limitrophes ” ny Distrikan’i Bealanana sy Befandriana avaratra ‚ kaominina Antsiradava sy Belalona ny lalana raha ho any Andapa Faritra Sava.
Tafiditra anatin’ireo tetik’asa fanamboarana ny lalam-pirenena amin’ity taona 2023 ity ny lalam-pirenena faha-31 ‚ Ankazobetsihay – Bealanana – Andapa ‚ raha ny fanambarana nataon’ny Filoham-pirenena.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.