a
FandraisanaSosialyCU ANTSOHIHY : TSY MIJANONA ENY AMORON-DALAMBE IHANY NY ASA FANADIOVANA SY FANATSARANA TANÀNA

CU ANTSOHIHY : TSY MIJANONA ENY AMORON-DALAMBE IHANY NY ASA FANADIOVANA SY FANATSARANA TANÀNA

CU ANTSOHIHY : TSY MIJANONA ENY AMORON-DALAMBE IHANY NY ASA FANADIOVANA SY FANATSARANA TANÀNA

 Simba ny lalana noho ny fisian’ny fako mivangongo ao amin’ny fokontany Ambalabe Ouest I ‚ sektera voalohany akaikin’ny Masera amin’ny lalana hivoaka amin’ny tranon’ny Tianjama ka velon-taraina ny mponina manodidina ary nanao antso ny hanamboarana izany . Nidina ifotony niaraka tamin’ireo fitaovana hanadiovana izany ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali sy ny mpiaramiasa aminy ‚ mba hamaha ny olàna taorian’ny fitsirihana natao.

Faly araka izany ny mponina manodidina sy ireo mpampiasa ity lalana ity nitondra fisaorana ny Ben’ny tanàna ary mahatsapa fa manana Ray aman-dReny mpiahy tokoa manana an’i NASIRY Ali . Tsiahivina ihany fa anisany lalana be mpampiasa sy betsaka olona mivezivezy amin’ity lalana nidiovina ity ‚ nanamafy ny Ben’ny tanàna NASIRY fa mizotra ampilaminana ary mitohy hatrany ny fanadiovana ny tanàna sy fanatsarana ataon’ny kaominina ambonivohitry Antsohihy isan’andro ‚ ho fitsinjovana ny vahoaka.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment