a
FandraisanaVaovaom-paritraNOSY LONJO ANTSIRANANA : MATY ILAY RANGAHY NANAPATAPAKA HAZO FIJOROANA TAO AMIN’NY DOANY

NOSY LONJO ANTSIRANANA : MATY ILAY RANGAHY NANAPATAPAKA HAZO FIJOROANA TAO AMIN’NY DOANY

NOSY LONJO ANTSIRANANA : MATY ILAY RANGAHY NANAPATAPAKA HAZO FIJOROANA TAO AMIN’NY DOANY

Nanaitra ny maro ny fandrenesam-baovao tao Nosy Lonjo ny herinandro lasa teo . Lehilahy iray nanapatapaka hazo fanaovana joro tao amin’ny Doany masina no fantatra fa namoy ny ainy . Raha ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana dia maty nisy namono ity rangahy ity ary ao anaty famotorana ny mpitandro filaminana ankehitriny.

 Miely any an-toerana ny vaovao fa maty noho ny hatezeram-bahoaka tamin’ny fihetsika mifanohitra amin’ny fombafomba fanao any an-toerana izy . Nohenjehin’ny fokonolona ilay rangahy rehefa hitan’izy ireo fa nanapaka hazo fanaovana joro tao Nosy Lonjo ka nandositra tany anaty ranomasina aveo . Nanapa-kevitra ny manampahefana ifotony ( ny eo anivon’ny fokontany ) ‚ naniraka olona hampakatra sy hanala azy ao anaty ranomasina mba tsy ho faty saingy rehefa tafakatra izy mbola nodarohan’olona ihany ary namoy ny ainy ‚ araka io vaovao miparitaka io.

Raha ny fanazavana nataon’ny lehiben’ny fokontany izay tafaresaka taminay kosa dia efa maty ilay rangahy nasaina navotana ity tao anaty ranomasina ary nahitana ratra vokatry fira na tetika nahazo azy ny vatany ‚ izay mbola tsy fantatra hatreto ny olona nanao izany . Fanazavana ihany koa no nahafantara fa tsy dia salama saina loatra ity rangahy maty ity . Mbola ao anaty famotorana sy fanadihadiana ny mpitandro filaminana izay voalaza fa nidina ifotony ‚ andrasana ny mety tohin-draharaha.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment