a
FandraisanaVaovaom-paritraFARITRA SOFIA : MIJANONA NY FAMPIANARANA SY FIVEZIVEZENA AN-DRANOMASINA REHETRA

FARITRA SOFIA : MIJANONA NY FAMPIANARANA SY FIVEZIVEZENA AN-DRANOMASINA REHETRA

FARITRA SOFIA : MIJANONA NY FAMPIANARANA SY FIVEZIVEZENA AN-DRANOMASINA REHETRA

Niditra an-tanety tao amin’ny faritra Sava ‚ Distrikan’i Antalahy tamin’ny 11Ora teo i CHENESO ‚ nihena ny heriny raha ny fampitam-baovao voaray . Mbola mijanona ho filazana miloko mena ny Faritra Sava sy Diana ary Analanjirofo ‚ raha filazana miloko mavo ‚ loza manambana ny Faritra Sofia ‚ Alaotra mangoro ary Antsinanana.

Noraisin’ny komity manaramaso sy mandray an-tànana ny loza voajanahary ato amin’ny Faritra Sofia ny fanapahan-kevitra mampiato ny fampianara sy fivezivezena an-dranomasina rehetra ‚ manomboka androany Alakamisy 19 Janoary 2022 ho fisorohana ny loza . Miantso ny rehetra mba hanaraka tsy tapaka ny haino aman-jery ihany koa ny manampahefana ary indrindra hanomana tahirin-tsakafo mandritra ny andro vitsivitsy.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment