FILAZANA MANOKANA MOMBAN’ NY RIVODOZA
Androany maraina tamin’ny 03 Ora teo dia tany amin’ny 75km atsinanana somary avaratr’atsinanan’i Sambava no nisy ny foiben’ilay forte tempête tropicale Cheneso . Nikisaka mianatsimo andrefana ny diany ka mahafaka 15km/Ora ary tombanana hiakatra an-tanety amin’ny tapany avaratr’i Antalaha anio eo anelanelany amin’ny 7 Ora sy amin’ny 10 Ora maraina ka 100km/Ora ny rivotra entiny arahina tafiotra 140km/Ora.
Filazana miloko mena ao amin’ny Faritra Sava sy Analanjirofo ary Diana.
Filazana manambana miloko mavo ho an’i Faritra Sofia ary tsara raha miomana amin’ny mety habetsaky ny rotsak’orana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.