RIVO-DOZA CHENESO : HIDITRA HIDITRA AN-TANETY AO AMIN’NY FARITRA SAVA
Manodidina ny 600 km Avaratra Atsinanan’i Antalaha no misy ny foibeny androany marainan’ny Alarobia 18 Janoary 2023 . Manatona haingana an’Antalaha ilay heverina ho rivo-doza CHENESO . Araka ny tombana nataon’i Meteo Madagasikara ‚ rahampitso ALAKAMISY izy no hiditra an-tanety manodidina an’Antalaha ‚ hanavatsava ny faritra Analanjirofo mialohan’ny hiverenany an-dranomasina manodidina an’i Toamasina ny faran’ny herinandro izao.
Na izany mbola mijanona ho filazana miloko maitso
ny Faritra Diana , Sava, Analanjirofo ary Atsinanana hatreto.
![🟢](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/tfc/1/16/1f7e2.png)
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.