a
FandraisanaVaovaom-paritraRN31 : VITA FANARENANA NY PK 61 ‚ IZAY SIMBA NOHO NY HALATRA “BUSE MÉTALLIQUE

RN31 : VITA FANARENANA NY PK 61 ‚ IZAY SIMBA NOHO NY HALATRA “BUSE MÉTALLIQUE

RN31 : VITA FANARENANA NY PK 61 ‚ IZAY SIMBA NOHO NY HALATRA “BUSE MÉTALLIQUE

 Mitohy hatrany ny famahana ny olàna misy amin’ireo lalam-pirenena izay simba ato amin’ny Faritra Sofia . Raha tapaka sy nasiam-panarenana haingana teo amin’ny PK 60 amin’ny lalam-pirenena faha-31 dia tsikaritra fa misy lavaka izay ahiana hitera-doza ihany koa ‚ ka mety hampanahirana ny vahoaka mampiasa lalam-pirenena faha-31 raha tsy andraisana fepetra.

Niroso avy hatrany tamin’ny fanarenana sy fanotofana ilay lavaka ahiana hitera-doza ireo Teknisinina avy amin’ny fitaleavam-paritry ny asa vaventy ato amin’ny Faritra Sofia sy ireo hiraka nalefan’ny Gouverneur Faritra Sofia miaraka amin’ireto fitaovana fanamboaran-dalan’ny Faritra ireto.
Vita sy tsy misy atahorana ny ao amin’ny PK 61 ‚ raha efa vita talohan’io ny PK 60 ‚ tsy mijanona fa mitohy ny ezaka ‚ fanarenana ireo lalam-pirenena simba ‚ mandrapaha hisiany fanarenana sy fanomboarana azy tanteraka izay adidin’ny ministeran’ny asa vaventy ‚ araka ny fanazavana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment